airtel

Fahasalamana

11-août-2022

Fahasalamana

Nendran-drajako Hametrahana fitiliana ny seranam-piaramanidina

Sample post image

Isan’ny aretina mampitahotra maneran-tany indray ankehitriny ilay aretina antsoina hoe: “variole du singe” na “nendran-drajako no azo handikana azy amin’ny teny Malagasy.

11-août-2022

Efa nahitana tranga mampiahiahy tsy lavitra antsika, dia tatsy amin’ny Nosy Maorisy. Noho izany, manomana ny fametrahana ny fitiliana io tsimokaretina io eny anivon’ny seranam-piara-manidina sy eny anivon’ny hopitaly ary ny tobi-pahasalamana fototra rehetra ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’izao mba hisorohana ny fiparitahan’ity tsimokaretina ity raha sendra misy tranga hita, hoy ny tale jeneralin’ny fisorohana ara-pahasalamana , profesora Fidiniaina Andriatsarafara omaly10 Aogositra. Nohamafisiny fa hatreto dia mbola tsisy tranga voatily eto Madagasikara raha firenena 98 no efa nahitana azy ary tranga maherin’ny 28 000 no hita hatramin’ny volohany volana jolay eran-tany. Marihina fa ny 29 jolay lasa teo no nambaran’ny fikambanam-be iraisam-pirenena momba ny fahasalamana, ho lasa hamehana ara-pahasalamana maneran-tany ny nendran-drajako.
Toky R

 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Mitana anjara toerana goavana amin'ny kalitao ny tolotra fanafody sy kojakojam-pahasalamana

Card image cap