airtel

Fahasalamana

06-juil-2021

Fahasalamana

Nitondra fanamarihana ny OMS Afrika Mbola ho dinihana tsara aloha ny momba ny CVO+ Curatif

Sample post image

Namoaka fanamarihana omaly ny Biraom-paritry ny sampandraharahan’ny firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS) misahana an’i Afrika fa tsy mbola nisy hatreto aloha ny fanafody

06-juil-2021

 voaporofo fa azo antoka sy nahasitrana ny Covid 19.Mbola ho dinihan’ny manampahaizana ato ho ato ny andrana klinika dingana faha 3 momba ny CVO+ curatif novokarin’i Madagasikara sy ny mety ho dingana manaraka, hoy ny fanamarihana.Aorian’izay no hamoaka ny heviny ara-tsiantifika io komity io ; fehin-kevitra izay tsy misy ifandraisany tamin’ny vokatra efa azo.Izay no resaka natao tamin’ny governemanta Malagasy tamin’ny fiomanana hiditra tamin’ny andrana klinika hoy ity fanambaran’ny Biraom-paritry ny OMS misahana an’i Afrika ity.Fanambarana tonga andro vitsy taorian’ny filazan’ny orinasa Pharmalagasy hoe voaporofo fa mandaitra hatrany amin’ny 87,1% ary mahasitrana ny Covid 19 ny fanafody CVO + curatif, sy ny hoe efa nifampiresahana tamin’ny OMS izany.Nisy mihitsy moa ny eritreritra ny amin’ny hoe aondrana any ivelany ity fanafody ambara fa mahasitrana ny Covid 19 ity.
RTT

Dans la même rubrique