airtel

Fahasalamana

24-mai-2024

NOHO NY FAHASAHIRANANA

« Tsy ampy kalsioma ny 80%-n’ny Malagasy»

Sample post image

Misakafo tapa-kibo ny ankamaroan’ny Malagasy amin’izao.

24-mai-2024

Ny hariva ihany no mihinam-bary fa ny ankoatra izay dia kibo rivotra na mofo sy kafe kely….Noho ny fahasahiranana amin’ny ankapobeny no antony mahatonga izany. Tsy tody faran’ny volana intsony ny karama raisina isam-bolana vokatry ny fidangan’ny vidim-piainana hany ka izay kely misy no tsy maintsy tsinjaraina. Manaporofo izany ny vidim-bary izay efa mahatratra 1.000 Ar ny iray kapoaka…. Tsy ampy kalsioma sy manezioma ny 80%-n’ny Malagasy noho izany. Raha tokony ho 1.200 ka hatramin’ny 1.500 kaloria isan’andro mantsy no takian’ny vatan’olombelona iray amin’ny alalan’ny sakafo hohanina dia zara raha mahatratra 80 kaloria monja izany ho ny an’ny sasany, raha araka fanazavan’Atoa Mandimbison Rija, mpitsabo eo anivon’ny Centre Ainasoa . Miteraka zavatra maro anefa io tsy fahampian’ny kalsioma sy manezioma io, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao. Lohalaharana amin’ireny ny aretin’ny taovam-pisefoana toy ny gripa sy ny kohoka, ny tazo mahery….Fantatra moa fa mizara maimaim-poana Calvit amin’izao ny Centre Ainasoa na ilay kalsioma sy vitamina avy amin’ny akora natoraly vokariny. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Reny homarihina ny Alahady 26 May ho avy izao izany ary tsy hifarana raha tsy amin’ny faran’ny volana. Tanjona ny hanampiana ireo olona mitsabo tena ao amin’ny Centre Ainasoa amin’ny resaka fahasalamana hiatrehana ny vanim-potoanan’ny ririnina.
Pati
Legende : Atoa Mandimbison Rija, mpitsabo eo anivon’ny Centre Ainasoa etsy Namontana !
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

14 taona tamin’ny volana martsa teo izao no nijoroan’ny Manda Bio Santé, hoy ny tompony

Card image cap