airtel

Fahasalamana

14-mai-2025

Nokaikerin’ny alika romotra

Nodimandry maty tany Maevatanana

Sample post image

Lehilahy iray, sahabo 47 taona no nodimandry ny harivan’ny alatsinainy teo, minitra vitsy

14-mai-2025

taorian'ny nahatongavany tao amin'ny CSBII Mahazomà Maevatanàna, hoy ny fampitàm-baovao voaray omaly. Nokaikerin'ny alika romotra tamin'ny volana febroary 2025 izy io. Raha tokony ho nentina tany amin'ny hopitaly dia tany amin'ny dadarabe, tany Maroadala Ankadibe, kaominin’ambanivohitr’i Mahazomà, no nitondran'ny havany azy. Nandeha ny fotoana ka lasa romotra ihany koa ny tenany. Mierona, mitady zavatra kaikerina sady mivoaka rora fotsifotsy sahala amin'ireny alika romotra ireny mihitsy. Farany, nanaraka hatramin'ny ainy, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique