airtel

Fahasalamana

26-févr-2021

Fahasalamana

Nosy Be Naverina ny fepetra ara-pahasalamana

Sample post image

Mihamahazo vahana ny valan’aretina Covid 19 any amin’ny distrikan’i Nosy-be. Maromaro ireo olona fantatra fa voan’izany, antony nandraisan’ireo

26-févr-2021

 

 

 tompon’andraikitra isan-tsokajiny any an-toerana fepetra hentitra. Miverina mihatra indray araka izany ny fepetra ara-pahasalamana toy ny teo aloha. Lasa tsy azo hatao intsony ny mamory olona marobe na resaka fety izany na fotoam-pivavahana. Tsy azo hatao ihany koa ny mikarakara hetsika sy karazana fety aman-danonana izay mety hahasarika olona betsaka mandrapisian’ny fandaminana vaovao. Mikatona amin’ny 3 ora avokoa ireo tsena any an-toerana isaky ny sabotsy sy alarobia mba hahafahana manadio sy mamendraka fanafody ny toerana hifamezivezen’ny olona rehetra. Tsy azo hatao mihoatra ny 24 ora ihany koa moa fiandrasam-paty raha sanatria ka misy trangana fahafatesana. Ho an’ireo olona hita kosa ary voaporofo matin’ny coronavirus dia hisy ny fepetra manokana raisina mikasika azy ireny.

Pati

 

Dans la même rubrique