airtel

Fahasalamana

11-nov-2024

Olan’ny rano sy herinaratra

Miantraika ara-pahalamana, mitaraina hatramin’ny mpitsabo

Sample post image

Mitaraina reraka hatramin’ny mpitsabo manoloana ny tsy fahasalamana vokatry ny olan-drano sy herinaratra

11-nov-2024

izay mbola hita ho mampikaikaika ireo faritra manodidina an’Antananarivo amin’izao fotoana izao. Ny eto Antananarivo renivohitra moa izany hoe efa ahena 80% isan-jato ny delestazy, hoy ny filoham-pirenena. Araka ny fanazavan’ny mpitsabo iray monina eny Bevalala dia raha mandray olona miisa 10 izy ao anatin’ny andro iray dia saika mitovy avokoa ny soratr’aretin’ny 8 amin’ireo. Somary avy mifanintona sy ngolingoly avy eo ny tanana sy ny vatana amin’ny ankapobeny. Anton’izany, raha ny fanazavany hatrany, ny resaka fahasimban’ny sakafo miditra amin’ny vatan’ireo marary satria vokatry ny fikorontanan’ny herinaratra, ohatra, dia tsy miasa araka ny tokony ho izy koa ny vata fampangatsiahana, na eny amin’ny mpivarotra io na ho an’ireo tokantrano mampiasa azy ireny. Misy sakafo mivadika ho poizina vokatr’izany, hoy hatrany ny fanazavan’ity mpitsabo ity.
Nangonin’i J. Mirija

 

Dans la même rubrique