Ny 4,7% -n’ny Malagasy eo ho eo no miaina io toe-tena io amin’ny ankapobeny. Ny fiakaran'ny tahany siramamy ao anaty rà (hyperglycémie) maharitra (chronique) no mahatonga io toe-tena diabetika io, raha araka ny fanazavan’i Domoina Soa Kanto Rakotonoely, Médecin Traitent Clinicien. Mba hisorohana ny fihitaran’ny aretina ary dia sakafo voalanjalanja no tena mety amin’ny olona voan’ny diabeta. Mila manamboatra ny fomba fisakafoanana amin’ny ankapobeny ihany koa. Hatao laharam-pamehana ny fihinanana sakafo manan-karena fibra ary kely ny tahan’ny glikaozy ao aminy toy ny laisoa, epinara, « brocoli », harikovera, korzety, poavirao sy ny frezy... Mihinana sakafo misy proteina toy ny hena, trondro, atody, voamaina ihany koa isan’andro fa tsy atao be loatra. Tsy hadinoina ny misotro rano betsaka isan’andro. Tsara raha misotro kafe na dite tsotra tsy misy siramamy na dite asiana ravimboafotsy. Fadiana kosa ny mihinana siramamy fotsy sy ny mofomamy. Toy izany ihany koa ny zava-pisotro misy « gaz » sy mamibe loatra ary ireo sakafo mampiakatra ny tahan’ny siramamy toy ny ovy sy ny vary fotsy ary ny paty. Tsy mihinana voankazo mamibe loatra koa toy ny akondro masaka, ny voaloboka ary ny manga. Ho an’ireo sakafo matavy sy mampatavy toy ny tavin-kena, ero-dronono, ny mofo vita amin’ny lafarinina tsotra dia azo hohanina ihany izy ireny fa ferana amin’ny fatra kely dia kely.
Nangonin’i Pati
Legende : Ny Dokotera Domoina Soa Kanto Rakotonoely !