airtel

Fahasalamana

29-janv-2025

OLONA VOAN’NY GRIPA

Nirongatra be tamin’ity volana janoary ity

Sample post image

Tafakatra 108 ireo olona tratry ny gripa mahery tonga nandalo teo anivon’ny tobim-pitsaboana

29-janv-2025

tsy miankina iray eto an-drenivohitra tantanan’ny dokotera Domoina tamin’ity volana Janoary taona 2025 ity. Ny 01 ka hatramin’ny 19 Janoary no nambarany fa tena nampahazo vahana izany. Nahatratra 73 isa be izao mantsy ireo marary nandalo tao aminy raha miisa 35 kosa ny ambiny hatramin’ny omaly Talata 28 Janoary. Nambarany fa nisy tamin’ireo olona ireo no nanana trangan’aretina toy ny voan’ny coronavirus mihitsy saingy efa nihena ny herin’ilay aretina. Efa tsy mamono olona ohatra ny teo aloha intsony ihany koa ity aretina ity raha araka ny fanazavany. Mbola vokatry ny fahapotehan’ny tontolo iainana sy ny fiovaovan’ny toetr’andromoa no nambarany fa antony mahatonga ilay aretina ka tokony samy hitandrina ny tsirairay. Fantatra ihany koa fa mifindrabe ilay izy indrindra raha maromaro an-trano ka mila mandray fepetra mifandraika amin’izany ny tsirairay.
Pati
Legende : Hataon’ny gripa mahery hatramin’ny ankizy madinika !

 

Dans la même rubrique

11-juin-2025

Nisy ny fitetezam-paritra sy fizahana ara-pahasalamana niarahan’ny Kristianina

Card image cap