airtel

Fahasalamana

11-août-2022

Fahasalamana

Olona voan’ny homamiadana “Mahatratra 7 amin’ny olona 20 isa”

Sample post image

11-août-2022

Mandray marary tsy latsaky ny 50 na 60 isa eo aho isan’andro, hoy ny dokotera mpitsabo, Jean Pierre Jo Rakotoarisoa na Dr Jo. Raha ataontsika hoe amin’ny marary miisa 20 raisiko, hoy izy, dia ny 7 amin’ireo homamiadana no mahavoa azy. Misy tratran’ny homamiadan’ny fo, ny voa, tsinay, marobe. Misy aretina vao hitako ary nalefako ho tiliana any Japon any izao. Toy ny lolosy vao nivoaka tamina ankizy vavy iray izy io tetsy amin’ny tetezan’I Bekiraro. Aretina isan’ny mamotika taovam-pananahana haingana io. 9 volana lasa izay no nahitako fa isaorana an’I Jesosy fa sitran’ilay “poudre Cancer” sy “poudre Neptune” ilay izy. Tsy ambaratelon’ny dokotera moa ireo. Tsy mifidy taona ny homamiadana fa manomboka eo amin’ny faha 3 hatramin’ny 70 taona mbola mety ho tratrany. Miantso ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra aho raha tia firenena izy hoe maninona raha mba foanana eto ny fanjifana toaka sy sigara? Be dia be ny vahoaka simban’io eto. Zazakely vao 13 taona dia efa mifoka sigara, hoy hatrany ny tenany. J. Mirija
 

Dans la même rubrique