eto amintsika no manaraka ny toe-pahasalamany sy mihinana fanafody mifandraika amin’izany. Ny 30.000 isa dia tsy misy hita soritra, antony manosika ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka hanao hetsika goavana iadiana amin’ity areti-mandoza ity. Ho an’ny anio Alakamisy 22 Aogositra ohatra dia ao amin’ny Oniversite-n’i Barikadimy ao Toamasina izy ireo no hanatanteraka izany. Raha araka ny fanazavan’ny dokotera Norosoa, mpandrindra nasionaly ny ady hatao amin’ny aretina SIDA eo anivon’ity Ministera ity dia anisan’ny tanjon’izy ireo ny hamporisika ny tsirairay avy hanao fitiliana ho an’ireo efa manan’olon-tiany rehetra ho fiarovana ny aretina tsy hihanaka. Mbola hitohy any amin’ny faritra maro ny hetsika. Miisa 50.000 moa ireo olona fantatra fa mitondra ny tsimok’aretina VIH/SIDA eto amintsika amin’izao.
Pati
Legende : Betsaka ireo olona mandehandeha eny rehetra eny tsy mahafantatra ny tenany ho mararin’ny SIDA akory eto amintsika !