airtel

Fahasalamana

07-déc-2021

Fahasalamana

Olona voan’ny SIDA Voahilikiliky ny namany sy ny orinasa sasany

Sample post image

Ny 0,28%-n’ny mponina eto Madagasikara no fantatra fa tratry ny areti-mandoza SIDA. Miisa 8000 izy ireo ka ny 7400 no fantatra fa efa manaraka fitsaboana ara-dalana.

07-déc-2021

 Misedra olana goavana anefa izy ireny eny anivon’ny toeram-piasana. Ankoatra ireo orinasa sasany izay manao tsinontsinona azy ireny mantsy dia tsy vitsy amin’ireo namany ihany koa no manilika mivantana ireo olona voan’ny SIDA ka mampihena ny risi-pon’izy ireny handray anjara amin’ny asa fampandrosoana ny firenena. Manoloana izany dia fantatra fa handrafitra drafitra entina hanampiana azy ireny ny Fitondram-panjakana sy ny tsy miankina. Drafitra nasionaly mihitsy izy io entina hanampiana sy hanohanana ireo olona tratry ny aretina SIDA ka hananany filaminan-tsaina tanteraka rehefa miasa. Tsy voakorontana na hiaina lava ny esoeson-tenin’ny sasany na koa hiaritra ny vava tsy ambina hataon’ny hafa fa ho afaka hiasa sy hamokatra ara-dalana no sady hitsabo ny tenany ao anatin’ny fitoniana tanteraka. Tsiahivina hatrany moa fa maimaim-poana ny fitsaboana ny areti-mandoza SIDA eto amintsika.
Pati
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mbola betsaka ireo zaza tsy vita vaksiny eto amintsika indrindra fa ny any ambanivohitra.

Card image cap