airtel

Fahasalamana

22-nov-2021

Fahasalamana

Oniversiten'Antananarivo Hiroso amin'ny fanaovam-baksiny andiany fahatelo

Sample post image

Hotontosaina manomboka anio Alatsinainy 22 Novambra ny andiany fahatelo amin'ny hetsika fanaovam-baksiny etsy amin'ny Oniversiten'Antananarivo ho enti-miady amin’ny valan’aretina Covid 19.

22-nov-2021

Hisy karazany roa ireo vaksiny azo tanterahina amin'izany toy ny vaksiny " janssen " izay vokarin'ny Laboratoara Johnson&Johnson sy ny vaksiny " sinovac " izay vokarin'ny Laboratoara Sinopharm. Misokatra maimaim-poana ho an'ny mpianatra, mpandraraha ary mpampianatry ny Oniversiten'Antananarivo rehetra izany fanaovam-baksiny izany. Raha araka ny fantatra dia eny amin'ny Service Medico-Social (SMS) no hanaovana azy, manomboka amin'ny 8 ora maraina. Tsy misy an-tery moa fa an-tsitrapo hatrany no hanaovana ity vaksiny iadiana amin’ny valan’aretina Covid 19 ity. Ho an’ireo izay hivoaka ny faritra ihany koa amin’izao dia fantatra fa mandeha ny fanentanana ny amin’ny tokony hanaovana izany vaksiny iadiana amin’ny valan’aretina Covid 19 izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Vahaolana iray ho enti-miady amin’ny Covid 19 ny fanaovam-baksiny .
 

Dans la même rubrique