airtel

Fahasalamana

03-mai-2021

Fahasalamana

Orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA Hitety faritra hitsabo maimaimpoana ny mpiray tanindrazana

Sample post image

Hitety faritra hitsabo ny mpiray tanindrazana maimaimpoana ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA,

03-mai-2021

 

tarihin’ny tale jeneraliny Rafanomezantsoa Jean Nirina. Nosantariny teny amin’ny kaominina Ivato izany ny zoma lasa teo nitohy tamin’ny Sabotsy ka mpiasa an-jatony no nahazo tombontsoa tamin’izany ao anatin’ilay fitsaboana 5 minitra. Ankoatra ny kaominina Ivato dia fantatra fa mbola hitety faritra maro ivelan’Antananarivo izy ireo toa an’Imerintsiatosika, Manjakandriana, Toamasina, Fianarantsoa, Mahajanga…. izy ireo. Tsy misy dikany ny resa-bola raha araka ny fanazavany fa ny fanavotana ny ain’ny mpiray tanindrazana izao no tena maika. Na hananana am-batabe aza mantsy ny vola hoy hatrany izy dia tsy misy dikany izany rehefa ny fahasalamana no tsy mety. Nanome fanamby moa Rafanomezantsoa Jean Nirina fa tokony ho resintsika eto Madagasikara ny Coronavirus amin’ny alalan’ireo zava-maniry marobe hananantsika. Niangaran’Andriamanitra isika Malagasy hoy hatrany izy manana ireo karazan-javamaniry marobe ireo hahafahana mitsabo ny mpiray tanindrazana.

Pati

 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Mitana anjara toerana goavana amin'ny kalitao ny tolotra fanafody sy kojakojam-pahasalamana

Card image cap