airtel

Fahasalamana

20-oct-2026

Paikady vaovao

iadiana amin'ny tazomoka

Sample post image

Takelaka manaparitaka

20-oct-2026

odimoka indray no asolo ny Lay
Hatreto dia ny fampiasana lay misy odimoka sy ny famendrahana fanafody mamono moka isan-tokantrano no paikady hiadiana amin’ny tazomoka eto Madagasikara. Paikady vaovao hanatevin-daharana azy ireo manomboka izao ny fampiasana ny takelaka manaparitaka odimoka izay mamoaka fanafody tsy tapaka sady tsy hita maso eny amin'ny rivotra, ka iny no manalavitra sy mamono moka, maharo ny efintrano misy azy manontolo ary maharitra herintaona. Nosantarina omaly tao Morondava Renivohitry ny Faritra Menabe ny hetsika faobe hitsinjarana fitaovana vaovao hiadina amin’ny tazomoka antsoina hoe : "Diffuseur Spatial" na Takelaka manaparitaka odimoka. Haharitra hatramin’ny 28 Oktobra 2026 ny hetsika ka ny 95%n’ny tokantrano ao Morondava no hisitraka izany mialohan’ny fahavaratra sy ny fiakaran’ny tahan’ny tazomoka eo anelanelan'ny volana desambra hatramin’ny volana aprily. Takelaka manaparitaka odimoka miisa 100 000 no hotsinjaraina amina tokantrano miisa 29 000 ka heverina hositrahan’ny mponina miisa 120 000 mahery ao amin’ny Kaominina Analaiva, Befasy, Belo sur Mer, Bemanonga, ary Marofandia. Vokatry ny fanohanan’ny governemanta amerikana amin’ny alalan’ny tetikasa PMI Evolve, dia iray amin’ireo firenena enina voafidy hampiasa ity paikady vaovao ity i Madagasikara, amin’ny alalan’ny Fandaharanasa Nasionaly Miady amin'ny Tazomoka. Aorian’izao hetsika izao dia efa miomana sahady amin’ny hetsika faobe manaraka famendrahana ody moka isan-tokantrano ireo mpiasan’ny fahasalamana ao amin’ny Faritr’i Menabe sy Vakinankaratra.
Jean D.
Fizarana "Diffuseur Spatial" tao Morondava Renivohitry ny Faritra Menabe.

 

Dans la même rubrique