airtel

Fahasalamana

17-mai-2022

Fahasalamana

PARAMED Anisan’ny tena miantoka ny fikarakarana ny marary

Sample post image

Manana ny anjara toerany eo amin’ny fikarakarana ny fahasalamam-bahoaka ny paramed ahitana ny mpampivelona sy ny infirmiera.

17-mai-2022

Ny mampalahelo anefa eto amintsika raha araka ny fanadihadiana natao dia mbola tsy mipetraka tsara amin’ny toerany izy ireny. Mbola hahiliky ny marary ihany koa indraindray nefa ny 43%-n’ny mpitsabo eto Madagasikara dia Paramed avokoa. Ny manoratra ny ordonnance fotsiny mantsy no andraikitry ny dokotera fa ny fanatanterahana ireo karazana asa maro isan-tsokajiny toy ny fikarakarana ny marary…. dia ny paramed avokoa no manatontosa azy, indrindra fa ireo miditra hopitaly. Eo an-danin’izay dia mbola paramed avokoa no mitantana ny 80%-n’ireo CSB II eto amintsika indrindra fa ny any amin’ny toerana lavitra andriana. Rehefa manao hetsika fitakiana anefa izy ireny dia toy ny voahosom-potaka sy haratsiana hatrany, indrindra raha mitaky ny hampiharana ny lalana hahafahana manatsara ny fari-piainan’izy ireny. Marihina moa fa miisa 8.000 ireo Paramed mpiasam-panjakana eto amintsika. Miisa 10.000 kosa ireo hampiasain’ny fanjakana nefa tsy mbola nahazo toerana raha miisa 10.000 ireo mandehandeha tsy miasa eny rehetra eny.
Pati
(Tahirin-tsary)
 

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisy ny hetsika nataon’ny fikambanana Mii’zara niaraka tamin’ny CSB II teny Ambatolampy Tsimahafotsy

Card image cap