airtel

Fahasalamana

25-mars-2021

Fahasalamana

Rafanomezantsoa Jean Nirina Ndao hitandrina mba tsy hiverenan’ny fihibohana

Sample post image

Mirongatra ny valan’aretina Covid 19 eto amintsika izay efa miseho amin’ilay endriny mahery vaika kokoa na variant.

25-mars-2021

 

 

 Naneho ny heviny mikasika izany Rafanomezantsoa Jean Nirina, tale jeneralin’ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA omaly ka nambarany tamin’izany fa ny rehetra no tokony samy hitandrina tsy hiverenana anaty fihibohana intsony. Vao mainka hahazo vahana mantsy hoy izy ny olana ara-tsosialy raha izany no misy. Ireo efa manana anton’asa hoy izy mety ho very asa indray toy ireo mpamily sy ny mpanampy azy ao anatin’ny zotra nasionaly tsy afaka miditra ao Mahajanga. Ny tena vahaolana hoy hatrany Rafanomezantsoa Jean Nirina dia ny fiarovan-tenan’ny tsirairay izay tokony hohamafisina hatrany. Nosinganiny manokana ireo manana aretina mitaiza toy ny diabetika, be tosi-dra… Mikasika ny valan’aretina COVID 19 moa dia notsiahiviny fa afaka mitsabo izany izy ireo ary ampy tsara ny tahirim-panafody fa tsy misy atahorana. Manana tombony isika Malagasy hoy izy manana ireo karazana zava-maniry azo hitsaboana ny aretina rehetra toy ny hampiasain’ny FITRAMA ankehitriny. Mivoka mandritra ny 7 amin’ny 7 andro moa izy ireo hahafahana mandray ireo marary sy tsy salama rehetra.

 Pati

 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Mitana anjara toerana goavana amin'ny kalitao ny tolotra fanafody sy kojakojam-pahasalamana

Card image cap