airtel

Fahasalamana

22-sept-2025

Raharaha Ambohimalaza

Resaka EVASAN dia mbola roritina amina politika maloto…

Sample post image

Roritina sy hifamelezana ara-politika indray ny raharaha

22-sept-2025

fitsaboana ireo tanora miisa 4 anisan’ny voapoizina teny Ambohimalaza nalefa atsy amin’ny Nosy Maurice. Naparitaka tamin’ny pejim-baovaon’ny TVM ny faran’ny herinandro teo, fa nampanantsoin'ny Hopitaly C-Care ao Maurice ny mpanolotsaina voalohany ao amin'ny Masoivohon'i Madagasikara ao an-toerana. Antony ny fampitana tamin’ny manam-pahefana Malagasy fa tsy tsaboina ao amin’io Hopitaly io ireo marary miisa 4 izay noraisin'ireo fanoherana an-tanana tamin’ny alalan’ny depiote solombavambahoaka Siteny RANDRIANASOLONIAIKO. Nolazaina fa natao nakana taratasy fotsiny izy ireo saingy tsy nisy niditra tao ireo marary. Nolazaina fa nangataka fanazavana ny tomponandraikitr'ity hopitaly ity, ary naneho ny fahatezerany ihany koa ary milaza ny handray fepetra manoloana izany. Nambara fa tsy fantatra mazava ny toerana nitondrana ireo marary nolazaina. Andaniny, nivoaka tamin’ny fahanginany i Siteny Randrianasoloiaiko omaly, ka nilaza fa efa manaraka fitsaboana sy arahi-maso ao amin'ny Hopitaly tena manara-penitra sy fanta-daza ao Maurice izy 4 mianadahy. Narahina sary ao amina toeram-pitsaboana moa izany. Antony tsy niovana hevitra tamin’ny tsy nitsaboana azy ireo indray tao amin’ity C-Care ny fisian'ny fianakaviana akaikin'i Andry Rajoelina manaraka fitsaboana ao ihany koa, ka mba ho fisorohana izay mety ho zavatra hafa no nandraisana ny fanapahan-kevitra, raha ny fanazavan’i Siteny Randrianasoloniaiko. Ao amin’io Hopitaly io ihany koa moa i Tojo ilay iray iantohan’ny Fanjakana no tsaboina. Nomarihiny fa fianankavian’ny Filoham-pirenena no tsaboina ao ka lojika ny fisiana fifanandraisana mivantana eo amin’io Hopitaly io sy ny Fanjakana Rajoelina, ka naleony nisafidy Hopitaly hafa izay notsihiny fa manaraka ny fenitra sy avo lenta ary manana fitaovana rehetra tsy ananan’i Madagasikara. Tsindro-paingotra nataon’ity depiote ny hoe : na ny mpitondra aza tsy matoky ny Hopitaly any Madagasikara, izay manamafy fa marefo ny rafitra ara-pahasalamana sy ara-pitsaboana eto amintsika. Fantatry ny manam-pahefana ao Maurice tsara ny namindrana azy ireo ary efa voaloa avokoa ny vola tany amin'ilay hopitaly saika hitsaboana azy ireo, hoy i Siteny Randrianasoloiaiko namaly ny fitsingolohana nataon’ny TVM.

MAILO, MIFAMPIAHIAHY…
Raha ny serasera nataon’i Fanirisoa Ernaivo omaly, dia noraisin’ny fanoherana an-tanana ihany koa ny marary iray fahadimy izay nalefa omaly any Maurice, ka miantoka 5 izany izy ireo, ary 4 ny Fanjakana. Voalaza fa nohasarotina ny fivoahan’izy ireo teto, saingy nisy ihany koa ny manam-pahefana tsara sitrapo toy ny tamin’ny lafiny pasipaoro. Ny zava-dehibe dia ny fahafahana mitsabo. Heverina fa misy ny fanahiana mikasika ny RGPV (Règlement Général sur la Protection des Données) fa eo ihany koa ny ny Fanjakana izay nanizingizina resaba belladone sy Datura ka manahy fa ho tratra raha tsy izay fa « botulisme » ohatra. Ho an’ny mpanohitra, dia manahy baiko sy tsindry avy amin’ny Fanjakana Malagasy amin’ny mety ho fisiana tetika avo lenta amina gafy na fandotoana ara-pitsaboana. Resaka ain’olona saingy mbola mitady ho tafiditry ny politika maloto.
Toky R


 

Dans la même rubrique