airtel

Fahasalamana

03-mars-2026

Raharaha Hanitriala Stecy

3 taona Nambara fa matin’ny Mpox

Sample post image

voalohany teto Madagasikara izy

03-mars-2026

Ranomaso sy fitarainana no nanamarika ny renin’i Hanitriniala Stecy ilay zazavavikely 3 taona maty teny amin’ny Hopitaly Miaramila CENHOSOA teto Antananarivo, izay nilaza fa zanany tokana io ary narary tongotra no niakarany taty Antananarivo, avy eo narary ka niditra hopitaly. Omaly maraina no tonga teny amin’ny lalampirenena faha-2 ny fiara nitondra ny razana. Araka ny fitantaran’ny fianakaviana, tsy navelan’ny zandary hihetsika intsony izy ireo fa noteren’ny manampahefana hanao fandevenana avy hatrany. Nangataka ny reniny mba hahafahana miandry indray alina ao an-trano ny razana, saingy nolavina noho ny antony ara-pahasalamana. Nanao fanambarana ofisialy ny Ministeran’ny Fahasalamana, tamin’ny alalan’ny mpitondra teny Pr Mamy Randria, fa io zazavavikely io no olona voalohany matin’ny aretina Mpox teto Madagasikara. Efa ratsiratsy ny toe-pahasalamany ny sabotsy 28 Febroary 2026 rehefa nentina teny amin’ny hopitalin’Androhatapenaka. « Ankizy efa narary andro vitsy nialohan’ny nitondrana azy teny amin’ny Hopitaly. Efa teny anivon’ny Ivon-toeram-pandraisana sy fanokanana teny Andohatapenaka ilay olona, efa somary ratsiratsy ny fahasalamany tonga tao, efa déshydraté, tsy afaka niteny, tsy afaka nisotro rano, tsy afaka nisakafo, nanomboka sepotsepotra, nanomboka nangatsiaka,… », hoy ny Pr Mamy Randria. Nambarany fa efa nikarakara ny mpitsabo tao fa nanapa-kevitra hitondra azy tany amin’ny dokoteran-dry zareo izay mpitsabo matihanina amin’ny fitsaboana zazakely, nanao « évasion » tao amin’ny CTI Andohatapenaka ry zareo, avy eo nakao amin’ny CENHOSOA, tonga tany efa ratsy ny fahasalamany, efa sempotra be nanao « détresse vitale » anisan’ny fahasarotan’ny Mpox, nanao izay nahafahana nikarakara azy ny tao, efa nisy « lésion cutanée » nampieritreritra Mpox teo amin’ny vatany, lamosiny, tarehiny,… Niharatsy ny toe-pahasalamany ka tsy tana ny ainy, hoy hatrany io Mpitondra tenin’ny Minisitera io, izay naneho fa efa nisy ny « prélèvement » natao tamin’io ankizivavikely nodimandry io. Na izany aza, nilaza ny renin’ilay zaza fa tsy matin’ny Mpox ny zanany. « Nivoaka ny valin’ny analyse, saingy tsy mbola nahazo taratasy manamarina izany », hoy izy. Heverina fa fepetra ara-pahasalamana izany no nahatonga ny manam-pahefana ara-pahasalamana nanome toromarika ny handevenana avy hatrany ilay zaza nodimandry, ka nanaiky tsy fidiny ny havany. Hatramin’izay, maherin’ny 1053 ny trangana Mpox, 457 no voamarina, 332 tsy voamarina taorian’ny fitiliana, tafakatra 53,88% ny taham-pahavoazana amin’ireo fitiliana, raha ny tatitra omaly, ka hanentanana ny rehetra hitandrina hatrany.
Toky R

 

 

 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

Nosantarina omaly teny amin’ny Hôpitaly Miaramila

Card image cap