Hiverina eto Madagasikara indray ilay sambo hopitaly lehibe Mercy Ships ahitana ireo tera-tany vahiny mpitsabo manam-pahaizana maro, indrindra fa eo amin'ny sehatry ny fandidiana. Amin'ny volana May ho avy izao izy no hiverina ao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina n rehefa avy manatanteraka ny fikarakarana ara-tekinika fanao isan-taona tany Afrika Atsimo. Hanamarika ny diany fahatelo eto Madagasikara araka izany io fiverenan'ny Mercy Ships io. Tsiahivina moa fa fandidina mihoatra ny 1. 370 isa no vitan'izy ireo tamin'ny taona 2025 ary fampiofanana mahery ny 20 000 ora, tao amin'ny sambo sy teto an-toerana.
Pati
Légende : Ity ilay Sambo Hopitaly Mercy Ships !