Laharam-pahamehana ny fiarovana ny fahasalamam-bahoaka ka tsy tokony hisy fanafody lany daty hivezivezy eny an-tsena na ho ampiasain’ny mpanjifa. Naneho fihetsika fandraisana andraikitra sy fahatsapan-tena amin’ny fiarovana ny fahasalaman’ny mpanjifa ny Pharmacie Avenir ao Mahajanga satria izy mihitsy no nangataka ny handorana ireo fanafody lany daty tao aminy, na mety hiteraka fatiantoka ara-bola ho azy aza izany. Fanafody lany daty 3703 isa no nodorana ny Sabotsy lasa teo notanterahin'ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana Boeny. Lasa ihany saina mahita ny hamaroan'ireto fanafody voatery nodorana satria lany daty ireto. Salama ny mponina ao Boeny sa lafo vidy ka lasa nirona any amin'ny raokandro ny olona no antony ?
Nangonin'i Jean D.