airtel

Fahasalamana

14-févr-2022

Fahasalamana

Sehatry ny fahasalamana Tsy ny trano no mahasitrana fa ny politikam-pitsaboana matotra

Sample post image

Maro hatrany ny olona lasibatry ny valanaretina toa ny aretin-kibo, tazo rehefa vanim-potoan’ny fahavaratra sy y rivodoza tahaka izao.

14-févr-2022

Izay no mahatonga ny ministeran’ny fahasalamana mihetsika amin’ny alalan’ilay fitsaboana manakaiky vahoaka ; mandeha ny fizaham-pahasalamana sy ny fizarana fanafody, ka atao laharampahamehana ireo toerana sy faritra tena misy ireo traboina sahirana, eo ihany koa ny toerana nandraisana azy ireo. Satrinay mba mitoetra sy maharitra ny hetsika tahaka izao, hoy ny hetahetan’ireo vahoaka nozahana; voarain’ny tompon’andraikitra tsara angamba fa tsy hetsika maimaika amina vanim-potoana voafetra ihany no andrasan’ny vahoaka fa zavatra maharitra.Raha misy dia misy ny 5% n’ny Malagasy no mahavita manao fizaham-pahasalamana ara-dalàna, izany hoe na tsy marary aza dia mitsirika ny vata-tena sy ny fahasalamana, manao “bilan” ohatra na maka ny hevitry ny mpitsabo ny amin’ny tokony hatao mba hitandroana ny fahasalamana.Ny maro an’isa ambin’io, izany hoe ny 95% dia rehefa tena mahatsapa marary afy syy mangirifiry ihany vao manatona toeram-pitsaboana to any CSB , dispensera, kilinika sy hopitaly.Ary mbola olana goavana indray aza avy eo rehefa manoratra sy milaza ireo fanadofy tsy maintsy hovidiana ny dokotera.Tsy ampy tsinona ny vola; tsy manana tahiry alefa any amin’ny fitsaboana raha sanatria marary ny ankamaroan’ny Malagasy. Mila ezaka tena faran’izay goavana noho izany ny sehatry ny fitsaboana eto Madagasikara, tsy ny fahavitana fotodrafitrasa CSB na hopitaly ambara fa manara-penitra loatra no inona, fa ny fananana politikan’ny fahasalamana sy fiahiana ara-tsosialy matotra sy tsy miangatra.Vita ny trano dia izay avy no hiasa ao dokotera, mpitsabo mpanampy, mpitsabo mpandidy, misahana ny lafinny ara-taratasy, faramasianina…ahoana ny tahirina fanafody ? Ny tsapa mantsy dia toa tompon’andraikitra tsy mahatapak’ahitra ihany no hita any amin’ny faritra sy ny kaominina, ary miandry baiko sy tetibola ary fitaovana foana.Raha olona mila fitsaboana haingana dia maty ho azy eo am-piandrasana ny valiteny.
RTT
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisy ny hetsika nataon’ny fikambanana Mii’zara niaraka tamin’ny CSB II teny Ambatolampy Tsimahafotsy

Card image cap