airtel

Fahasalamana

01-avril-2022

Fahasalamana

Soavinandriana Mitsabo ireo ankizy marary fo ny hopialy miaramila

Sample post image

Mitsabo ireo ankizy marary fo ny Hopitaly Miaramila Soavinandrina. Efa vita eto amintsika ny fandidina ny fo na « chirurgie à cœur ouvert » araka izany.

01-avril-2022

Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin'ny CENHOSOA sy ny fikambanana "La Chaine de l'Espoir" ary indrindra ny fanampian'ny fitondram-panjakana Malagasy no nahafahana nanatontosa izany sy namatsy ireo fitaovana. Notanterahina omaly ny fandraisana ara-teknika ny trano fandidiana ny fo manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ho an’ireo zaza mitsabo tena eo anivon’ny CENHOSOA ka marary fo .Nanome ninahitra ny fotoana ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena izay nisaotra manokana ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny fahavitan'izao tetik'asa goavana izay hanamaivana fahasahiranana ireo fianakaviana mila izany. Marihina moa fa betsaka ireo ankizy marary fo eto amintsika. Mety ho vokatry ny toe-pahasalaman’ilay Reniny hatrany am-bohoka no mahatonga izany nefa mety ho zavatra hafa ihany koa.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique