airtel

Fahasalamana

19-mai-2026

Tafakatra 5 ny matin’ny Mpox

Tovolahy vao 22 indray no namoy ny ainy

Sample post image

Tafakatra 5 ny olona namoy ny ainy

19-mai-2026

hatramin’ny nisian’ny valanaretina Mpox teto Madagasikara, araka ny tatitra farany navoakan’ny COUSP (Centre des opérations d’urgence de santé publique). Ny tranga farany dia lehilahy vao erotrerony 22 taona avy eto Analamanga, nodimandry ny 17 Mey 2026. Tamin’io andro io ihany koa dia voarakitra tranga vaovao 16, ka dimy voamarina, ary 13 marary sitrana. Raha tsiahivina, zaza 3 taona avy any Toamasina no lasibatra voalohany, nodimandry teto Antananarivo teo anelanelan’ny 28 Febroary sy 1 Martsa noho ny fahasemporana ara-pisefoana sy ny aretina mifindra mafy. Taorian’izany, ny 27 Martsa, lehilahy 56 taona no maty tao Ambanja. Ny 9 Aprily, tanora iray marefo no nodimandry taorian’ny aretina fanindroany, ary samy naneho fahalemena ara-piarovana izy sy ilay lehilahy 56 taona. Ny 3 Mey, zaza vao teraka no isan’ny lasibatra, na dia mbola tsy navoaka aza ny antony nahafaty azy. Ny tranga farany kosa dia ity lehilahy 22 taona avy ao Analamanga, nodimandry ny Alahady teo. Hatramin’ny Desambra 2025, voarakitra fa 2 788 ny tranga Mpox manerana ny firenena, ka 1 604 voamarina ary 1 245 sitrana. Ny virus dia mbola mivezivezy amin’ny distrika 54 eto Madagasikara.Manentana ny vahoaka ny Cousp mba hanaraka ny fepetra fisorohana toy ny fanasana tanana matetika, fampiasana arovava sy orona, fanokanana ny marary, ary fitsaboana haingana eny amin’ny tobim-pahasalamana. Ny vaksiny Mpox, izay maimaimpoana amin’ny toerana maro, dia heverina ho fiarovana mahomby indrindra amin’ny fiparitahan’ny aretina, saingy tsy mbola tena marisika ny ankamaroan’ny olona. Mampahatsiahy ny manam-pahefana ara-pahasalamana fa tsy maintsy mitohy ny fahamailoana sy ny fiaraha-mientan’ny rehetra amin’ny ady amin’ny valanaretina izay mbola mitohy miparitaka.
Toky R

 

Dans la même rubrique