airtel

Fahasalamana

21-déc-2021

Fahasalamana

Tana Ville, Atsimondrano, Avaradrano Misokatra ny fanaovana vaksiny Pfizer

Sample post image

Nanomboka omaly alatsinainy 20 desambra 2021 ny fanaovana ny vaksiny Pfizer ho an’ny olona feno 18 taona noho miakatra izay tsy mbola nanao vaksiny miaro amin’ny Covid-19 eto Antananarivo Renivohitra na Tana Ville,

21-déc-2021

 Antananarivo Atsimondrano, Antananarivo Avaradrano. Ireto avy ny toerana hahitana izany, araka ny toromariky ny Minisiteran’ny fahsalamam-bahoaka ho an’ny omaly 20 desambra. Ho an’Antananarivo Renivohitra : CHU JRA eny Ampefiloha, CHU JRB eny Befelatanana, KIANJA BAREA Mahamasina, KIANJA MAITSO ANALAMAHITSY, SITE NATIONS-UNIES ANDRAHARO, ANKATSO. Ho an’Antananarivo Atsimondrano : CSB2 ANDOHARANOFOTSY, CSB2 TANJOMBATO, CSB2 ANKARAOBATO, CSB2, ANOSIZATO, CSB2 CITÉ ITAOSY, CSB2 ITAOSY HOPITALY. Ho an’Antananarivo Avaradrano kosa dia eny amin’ny CSB2 TALATA VOLONONDRY. Hitombo ny toerana hanaovana ny vaksiny Pfizer manomboka anio 21 desambra ary holazaina eto amin’ny pejy ofisialin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka hatrany, hoy ny fampahafantarana.
Toky R

 

Dans la même rubrique