airtel

Fahasalamana

30-mars-2021

Fahasalamana

Tazo mahery sy tazovony Eo am-panomanana ny fanafody ny FITRAMA

Sample post image

Ankoatra ny valan’aretina Covid 19 dia mamely ihany koa ny tazomahery sy ny tazovony amin’izao.

30-mars-2021

 

Olona maro no fantatra fa voany, antony manosika ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA hanomana ny fanafody mifandraika amin’izany. Efa eo am-panomanana izany izy ireo ankehitriny raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ao an-toerana. Mikasika ny valan’aretina Covid 19 moa dia fantatra fa hilaharambe mihitsy ny eny anivon’ny FITRAMA amin’izao hahafahan’ny olona miaro tena. Hividy fanafody no anton-dian’ny ankamaroan’ireto farany raha araka ny fantatra ka ho an’i Toamasina dia hipoky ny filaharana ny foiben-toeran’izy ireo anankiroa. Tsy hamidy anefa ny fanafodin’ny FITRAMA hoy ny fanazavana fa tsy maintsy amin’ny alalan’ny traitement no hahafahana mampiasa azy izay hialohavan’ny fizaham-pahasalamana hataon’ny dokotera. Toraka izany koa ny kely mavitrika izay fantatra ihany koa fa tsy hamidy fa tsy maintsy amin’ny alalan’ny fizaham-pahasalamana sy ny traitement ihany koa no hahafahana mampiasa azy.

Pati

 

Dans la même rubrique