tao amin'ny orin'asa PENTA-OCEAN Toamasina nandritra ny enim-bolana farany ho an'ny taom-piasana 2024 izay notanterahina tao amin'ny Port Academy Center PACT. Ny Fikambanam- behivavy Miavo-tena eto Madagascar FIVEMIMA no nifanohana tamin'izy ireo tamin'izany. Hetsika notarihan-dramatoa Razafindravao Germaine filohany. Noraiketina anaty antontan-kevitra iray ahitana pejy efatra amin'ny fiteny Angisy, Frantsay ary Malagasy ny vokatra azo. Maro ireo miara-miasa manetsika ity PENTA - OCEAN ity ary zava-dehibe ho an'ny tompon'andraikitra ny fahasalaman'ny mpiasa ao aminy ka anisan'izany ny ady amin'ny VIH SIDA. Iray amin'ireo Fikambanana nahazo ny fiaraha miasa ao amin'izy ireo amin'ny fanentanana ny FIVEMIMAD tamin'ny alalan'ny tetik'asa AIDS AWARNESS program. In-dray mandeha isam-bolana izy ireo manao fanentanana eny anivon'ny orin'asa ka atao amin'izany ny fanentanana hanao fitiliana sy hanao fiarovan-tena amin'ny alalan'ny fampiasana kapaoty. Ity farany izay mahalany 25 boaty isam-bolana izy ireo. Namporisihina ihany koa ny mpiasa nanao fitiliana na dépistage ka ho an'izay hitana fa nitondra ny tsimokarrtina dia misy ny fandraisana an-tanana maimaimpoana azy ireo amin'ny fiitsaboana eny amin'ny tobim-pahasalamana. Mbola mitohy ny ady ka ho an'ny enim-bolana manaraka dia hamafisina sy hitarina bebe kokoa ny fanentanana iarahana amin'ny FIVEMIMAD eto amin'ny orin'asa PENTA OCEAN. Raha ho antsika eto Madagasikara manokana dia tombanana manodidina ny 74 000 ny olona miaina miaraka amin'ny tsimokaretina VIH raha toa ka miisa eo amin’ny 20.000 ihany ireo nandalo fitiliana. Antenaina fa hampisy fahavononana ny tsirairay hatao sy hanao fitiliana an-tsitrapo sy maimaimpoana ny fijoroan'ireo fikambanana sy ny tetikasa miatrika ny VIH SIDA ankehitriny manerana ny nosy.
Fanja Aina