Misy vao 20 taona ny sasany dia efa miaina izany raha tsy ferana intsony ny olon-dehibe. Ny 90%-n’ireo olona lasibatr’io aretina io dia saika nandova avy amin’ny Ray aman-dReniny avokoa ankoatra ny toe-batany, raha araka ny fanadihadiana natao. Vokatry ny aretina mahazo azy kosa ny 10% raha araka ny fanazavan’ny dokotera. Misy mandeha ran’orona, kizintina, tsy mahita tory, mavesatra ny hatony ireo olona tratran’ny tosi-dra avo. Misy fanina avy hatrany ihany koa anefa, maloiloy ary tsy mety mahazo aina ny sasany. Mila manatona dokotera avy hatrany ireo mahatsapa izany fiovan’ny toe-batany izany, noho izany. Fantatra mantsy fa anisan’ny aretina mahafaty olona betsaka maneran-tany ny fananana tosi-dra avo ka ilana fitandremana, indrindra amin’izao rotorotom-piainana hiainana isan’andro izao.
Pati
Legende : Tokony hojerena matetika ny tosi-dra fa mety mahafaty tampoka !
Nisy ny fitetezam-paritra sy fizahana ara-pahasalamana niarahan’ny Kristianina