Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka omaly hariva, tamin’ny alalan’ny Pr Managna Monira, nilaza fa ny fitiliana natao tao amin’ny Institut Pasteur de Madagascar dia nanaporofo fa ny karazana virus Mpox hita eto Madagasikara dia anisan’ny sokajy Clade 1B. Ity sokajy ity dia fantatra izay isan’ny nivelatra sy niparitaka indrindra tany Afrika Afovoany, indrindra tao amin’ny Repoblika Demaokratikan’i Kongo, ary mifandray amin’ny tranga mafy kokoa sy tahan’ny fahafatesana avo kokoa (10-11%) raha oharina amin’ny Clade IIb izay niteraka fiparitahana maneran-tany tamin’ny taona 2022-2023, raha ny fandalinana tsotsotra. Araka ny antontan’isa farany hatramin’ny 7 Janoary kosa, tafakatra 124 ny tranga ahiana ho Mpox voarakitra eto Madagasikara, ka 118 no mbola ahiana ary 6 no voamarina. Ny tranga 5 voamarina dia ao Mahajanga avokoa ary iray ao Antsirabe. Nohamafisin’ny Pr Randria Mamy Jean de Dieu, Incident Manager sady mpitondra tenin’ny ministera, fa voaray an-tanana avokoa ireo tranga rehetra, mizotra tsara ny fitsaboana ary tsy mbola nisy aina nafoy hatramin’izao. Ho fanamafisana ny ady amin’ny valanaretina dia apetraka manerana ny faritra 23 ny Centres opérationnels d’urgence nationale de la santé publique (COUSP national), ary hosokafana tsy ho ela ny COUSP foibe hisahana ny Nosy manontolo, tarihin’ny Pr Randria Mamy Jean de Dieu, izay hanome vaovao ofisialy sy handrindra ny fivorian’ny valanaretina. Nosokafana ihany koa ny laharan-tariby maitso 910, azo antsoina maimaimpoana mandritra ny 24 ora isan’andro, mba hanamorana ny fifandraisana eo amin’ny marary sy ny tompon’andraikitry ny fahasalamana. Ankoatra izany dia hisy ny « centre de presse » eo ambany fitantanan’ny fitaleavan’ny serasera ao amin’ny ministera, izay hanamafy ny mangarahara sy hiara-miasa amin’ny mpanao gazety amin’ny fampitana vaovao sy toromarika ho an’ny vahoaka manoloana ny valanaretina Mpox.
Toky R