airtel

Fahasalamana

28-avril-2021

Fahasalamana

Trangam-pahafatesana ao Ambohitrimanjaka Tsy Covid 19 ihany fa aretina hafa koa Trangam-pahafatesana ao Ambohitrimanjaka Tsy Covid 19 ihany fa aretina hafa koa

Sample post image

Nampita fanitsiana mikasika ny fampitam-baovao izay nilaza fa mponina miisa 4 isan’andro no matin’ny Covid 19 tao Ambohitrimanjaka,

28-avril-2021

 

 amin’ny ankapobeny, hatramin’izay nisian’ilay endriny vaovao na “variant” izay. Tsy voatery ho Covid 19 ihany akory no nahatonga izay trangam-pahafatesana izay, hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana, Ihajason Randriamanalintsoa, fa mety aretina sy antony hafa koa fa ny tiana ambara dia hoe nitombo ny taham-pahafatesana noho ny fitomboan’ny aretina. Manamafy noho izany ny tenany ny amin’ny tokony hanamafisan’ny tsirairay hatrany ny fitandremany amin’ny alalan’ny fampiarana ireo fepetra sakana ara-pahasalamana rehetra. Aoka mba ho fara faha tarany ny ampitson’ny nahafatesany ihany no alevina ny sanatria matin’izao aretina izao, hoy izy.

J. Mirija

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisy ny hetsika nataon’ny fikambanana Mii’zara niaraka tamin’ny CSB II teny Ambatolampy Tsimahafotsy

Card image cap