airtel

Fahasalamana

20-juin-2022

Tsiroanomandidy Olona 8 no notiliana ny VIH

SIDA

Sample post image

Nifarana omaly alahady rehefa naharitra 3 andro ny varavarana misokatra sy fitsaboana maimaimpoana notanterahina tao amin'ny hopitalim-paritra Bongolava ao Tsiroanomandidy.

20-juin-2022

Hetsika maro no hita nandritra izany izay nifanindran-dalana tamin'ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny mpanome rà. An-jatony ireo olona tonga nitsidika sy nisitraka ireo tolotra ara-pahasalamana maimaim-poana ireo. Nahatratra 175 isa ohatra ireo olona nanala nify, 156 ireo nijery maso, 186 ireo nanao fizaham-pahasalamana ankapobeny, 102 no nanao fitarafana na échographie, 09 no nanao "radiographie", 15 nanao fitiliana raboka raha miisa 08 ireo nanao fitiliana VIH SIDA manahy ny amin’ny fitondran-tenany manoloana ny fananana sakaiza maro na koa manana sakaiza miaraka amin’ny olona maro. Saika tanora avokoa ireto farany, matahotra ny Nahatratra 53 kosa ireo zaza natao hasoavana, raha 13 ireo nojerena manokana noho ny fananany ilay tongotra "pieds bots". Marihina moa fa betsaka amin’ireo mponina any amin’ny Faritra Bongolava no tsy afaka misitraka tolotra ara-pahasalamana milamina sy tsara tahaka izao.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Mitana anjara toerana goavana amin'ny kalitao ny tolotra fanafody sy kojakojam-pahasalamana

Card image cap
26-mars-2024

Betsaka ireo lehilahy manana olana ara-pananahana tonga manatona mpitsabo amin’izao.

Card image cap