airtel

Fahasalamana

03-sept-2026

Tsy salama i Babaique

Efa tontosa ny fikarakaràna

Sample post image

fitsaboana any Inde saingy…

03-sept-2026

Mandalo fotoan-tsarotra indrindra amin’ny fahasalamany i Babaique, mpanakanto malagasy manana ny maha izy azy efa ela teo amin’ny asa famoronan-kira sy ny sehatry ny mozika, hoy ny fampitàm-baovaon’ny fianakaviany omaly. Efa tontosa ny fikarakaràna ny fitsaboana azy any Inde, noho ny toe-pahasalamany izay tena mila fitsaboana manokana sy maika, hoy ny fanazavàna. Tsy hay ny tsy hisaotra ireo rehetra nanampy tamin’izany, indrindra, ny filohan’ny fanavaozana mivady izay nanampy sy nankahery ary nanolo-kevitra ka nampalaky izao fahafahana mitsabo tena izao. Isaorana maventy koa ireo minisiteram-panjakàna isan-tsokajiny nikarakara izay tandrify azy sy ireo araky ny ambaratongany tsirairay avy, indrindra, ireo mpitsabo malagasy izay nanao ny ainy tsy ho zavatra namelona sy nikarakara azy. Fisaorana manokana ihany koa ho an’ny mpanakanto namana Mamy Gotso, izay raha vao naheno ny fahasahiranan’ny mpanakanto zokiny sy namany ity dia nitotototo avy hatrany nanampy ary nanao izay rehetra azony natao mba hahafahana mitsabo an’i Babaique haingana. Isaorana ireo mpanakanto namana rehetra, ireo havana aman-tsakaiza,… Tontosa ny fandefasana azy any Inde saingy ny tena ady sarotra sy lehibe eo amin’ny fitsaboana kosa dia vao manomboka eto, hoy hatrany ny fianakavian’ity mpanakanto ity. Miangavy ny rehetra izy ireo, noho izany, na ny eto an-toerana na ny any ivelany rehetra any, izay rehetra mba afaka hanampy araka izay tsirambin’ny tanana. Ireto ny laharana azo andraisana ny fanampiana. Ho an’ny MVola dia ny 034 05 998 58. Ny Orange Money dia 032 49 014 19, misoratra amin’ny Commissaire General Christian, rahalany. Andao hiara-hijoro, hiara-hivavaka ary hiara-hanohana an’i Babaique! Enga anie izy ho tafody eto an-tanindrazana indray, ho salama sy matanjaka, hoy hatrany ny fianakaviany. Ankoatran’ny maha mpanakanto moa dia efa avy solombavambahoaka tao amin’ny distrikan’Ambilobe koa i Babaique.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

03-sept-2026

Mahakasika malagasy maro,

Card image cap