airtel

Fahasalamana

21-avril-2021

Fahasalamana

Vaksiny- “Chaine de froid” sy “séquenceur d’ADN” Tsy mbola tafapetraky ny Fanjakana hatramin’izao

Sample post image

Iray volana mahery izay no nisian’ilay taratasin’ny Filoha naka ny hevitry ny Akademiam-pirenena momba ny fitsaboana (ANAMEM)

21-avril-2021

 

 

 mikasika ny hidirantsika amin’ny vaksiny. Ny 16 martsa io taratasy io, ary andro vitsy taorian’io dia efa nisy valiny ny 18 martsa, ka nilazan’ny ANAMEM, fa ilaina ny vaksiny. Isan’ny fangatahana nataon’ny ANAMEM tamin’izany ny hametrahana « Séquenceur d’ADN » ahafahana mamantatra ireo karazana coronavirus eto amintsika, ka hitiliana ny 10% amin’ny vahoaka farafahakeliny. Teo ihany koa ny fangatahana ny hametrahana ny « Chaîne de froid » izay atokana hitahirizana ny vaksiny. Manaraka izany ny famantarana ny vaksiny mety amintsika. Iny nampahafantarina afak’omaly iny fa vaksiny 4 no heverina hampidirina eto dia ny Covishield, Pfizer, Sinopharm, ary ny Jonhson and Jonhson. Misy fepetra ny fitahirizina ny vaksiny, saingy tsy niomana amin’ny fandraisana izany I Madagasikara raha zohiana ny zava-misy satria mbola tsy tafapetraky ny Fanjakana na “séquenceur d’ADN na ny “Chaine de Froid” kanefa ny vaksiny Covishield izay an’ny AstraZeneca dia mila tahirizina amina maripana 2 hatramin’ny 8°C ary toy izany ihany koa ny Jonhson and Jonhson, ny an’ny Pfizer/Biontech dia mila maripana -80 hatramin’ny -70°C,… Tsy vonona amin’ny pitsopitsony ara-teknika momba izany ny Fanjakana amin’izao fotoana, kanefa efa iray volana mahery no niresahana an’io fa hanafatra vaksiny. Mbola hita taratra ny tsy faharesen-dahatra amin’ny vaksiny, fa teren’ny zava-misy, ka dia io mitarazoka fomba fiasa io. Karazan’ny manipy baolina any amin’ny sehatra tsy miankina, toy io fidirana an-tsehatry ny Fondation Akbaraly io, ankoatra ny antso avon’ny Minisitry ny fahasalamana miantso tolo-tànana amin’izay manana fahafahana hampiditra haingana ny vaksiny satria raha miandry ny Initiative Covax dia mety amin’ny volana jolay, izay ny Fanjakana no fositry ny fahatarana.

Toky R

Dans la même rubrique