airtel

Fahasalamana

28-oct-2021

Fahasalamana

Vaksiny iadiana amin’ny Covid 19 Tsy maintsy atao ilay tsindrona “fatra faharoa”

Sample post image

Vao ny 2%-n’ny Malagasy mihoatra ny 18 taona no fantatra fa vita ilay vaksiny iadiana amin’ny valan’aretina Covid 19 eto amintsika.

28-oct-2021

 Ho an’ilay vaksiny Johnson and Johnson dia miisa 181.307 ireo nahavita izany raha mitontaly 302.705 daozy ny fatra tonga teto amintsika. Ho an’ilay vaksiny astrazenica izay ilana ilay andiany faharoa indray dia miisa 197.000 ireo nahavita ny vaksiny andiany voalohany raha miisa 50.000 kosa ireo mbola andrasana ho avy hanao ilay andiany faharoa. Hifarana amin’ny 30 oktobra ho avy izao anefa ny fotoana tokony hanaovana ity andiany faharoa ity ka ho an’ireo tsy tonga manao izany dia toy ny tsy misy dikany ny ezaka efa nataony teny am-boalohany raha tsy vitany io, manentana mafy ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka mba ho avy hanatanteraka ilay « dose » faharoa ireo rehetra nahavita ny tsindrona voalohany. Raha atontaly araka izany dia miisa 325.000 ireo olona nahavita ny vaksiny iadiana amin’ny Covid 19 eto amintsika, salan’isa izay nambaran’ny teo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka fa mbola ambany dia ambany tokoa. Miisa 338 kosa ireo tranga sarotra hita nandritra ny fanaovam-baksiny andiany voalohany raha 39 tamin’ny andiany faharoa. Anisan’ireny ny fihetsehan’ny aretin-tratra toy ny sohika.
Pati

 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Mitana anjara toerana goavana amin'ny kalitao ny tolotra fanafody sy kojakojam-pahasalamana

Card image cap