airtel

Fahasalamana

28-juil-2021

Fahasalamana

Vaksiny Johnson & Johnson Tonga omaly, tsindrona iray dia milamina

Sample post image

Tonga omaly talata 27 jolay teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenana Ivato ny vaksiny Johnson & Johnson izay tsindrona indray mandeha tsy ilana famerenana miisa 302 750 izay

28-juil-2021

 ao anatin’ny ezaka ataon’ny governemanta Amerikana hiadiana amin’ny Covid-19 maneran-tany. “Ny fifampizarana ireo vaksiny ireo dia sady hiaro ny vahoaka Malagasy amin’ny Covid-19 no ahafahana ihany koa mampihena ireo sakana amin’ny fanarenana ny toe-karena Malagasy” hoy ny Mpiandraiki-draharahan’ny Masoivoho Amerikana eto Madagasikara sy Kaomoro Rtoa Amy Hyatt teo am-pandraisana ireo vaksiny ireo. Nisolo ten any Fanjakana Malagasy kosa ny Minisitry ny raharaham-bahiny. Etazonia dia nampiseho ny fahavononany hiady amin’ny Covid-19 na ao amin’ny taniny na any amin’ny firenen-kafa. Ankoatra ny fanohanan’ny governemanta Amerikana an’i Madagasikara tamin’ny fahazoana vaksiny sy ny fanapariahana izany tamin’ny alalan’ny USAID Madagascar, dia mbola nanome fanampiana hiatrehana ny hamehana mitentina 2 500 000 dolara hanamafisana ny vahaolana hiatrehana ny Covid-19 i Etazonia, ary mitentina 5 000 000 dolara ny fandraisany anjara tamin’ny fandaharanasa Tosika Fameno izay nanomezana fanampiana ara-bola ireo fiankaviana marefo avy amin’ireo tanàn-dehibe tena voa mafy mba hananany sakafo ampy, hoy ny fampahatsiahivana avy amin’ny Amerikanina. Endrika iray ihany amin’ireo maro maneho ny maha mpirahalahy mianala antsika izany, hoy ny eo anivon’ny Masoivoho Amerikanina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ankoatran’ny resaka fifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday na serasera

Card image cap