airtel

Fahasalamana

15-mars-2021

Fahasalamana

Vaksiny sa CVO ihany Andrasana ny fanapahan-kevitry ny mpitondra

Sample post image

Maro ny karazana vaksiny hisorohana ny aretina Covid 19 efa ampiasain'ny firenena maro maneran-tany toy izay hita any Amerika,

15-mars-2021

 Azia, Eoropa, Afrika amin'izao fotoana izao. Isany ny Pfizer-BionTech, Moderna, AstraZeneca, Johnson&Johnson, sy ny Spoutnik V an’ny Rosiana, ary ireo vaksiny vokarin-dry zareo Sinoa, raha mijery ny maresaka iraisam-pirenena. Nahitana vokany azo tsapain-tanana ireo vaksiny ireo tany Israely, Angletera, Etazonia ary Rosia, raha ny voatatitra hatreto aloha. Mbola tsy misy kosa hatreto ny akom-baovao mahakasika ny fahatongavan’izay vakisinin’ity aretina ity izay eto Madagasikara, raha ny fanamariham-baovao voaray teo anivon’ny Institut Pasteur etsy Avaradoha hatramin’ny sabotsy teo. Hiditra amin’ny fanafarana ireo karazam-baksiny ireo rahateo ve anefa isika sa hionona amin’ny CVO ? Somary nanaitra ny maro ihany ny vaovao mikasika ny fivoahana manam-pahefana miisa 2 ho any am-pitan-dranomasina ny sabotsy teo ary isan’ny fanontaniana goavana nipetraka ny hoe tsy mahatoky io vokatra Malagasy nankalazaina tamin’ny fihibohana io sy ny hopitaly manara-penitra ve isika satria dia ireo manam-pahefana heverina ho tokony ho maodely amin’izany indray ity no toa mitady vonjy any am-pitan-dranomasina? Andrasana, araka izany, ny fanapahan-kevitry ny mpitondra na hionona amin’ny CVO na hanafatra izay vakisiny izay.

 

J. Mirija



Dans la même rubrique

22-avril-2024

Ny 90%-n’ireo ankizy latsaky ny 6 taona eto amintsika no fantatra fa tratry ny aretin-nify.

Card image cap
19-avril-2024

Nisy ny hetsika nataon’ny fikambanana Mii’zara niaraka tamin’ny CSB II teny Ambatolampy Tsimahafotsy

Card image cap