airtel

Fahasalamana

09-févr-2024

VALAN’ARETINA MANANONTANONA

Vonona hiara-hiasa amin’ny fanjakana ny mpitsabo natoraly

Sample post image

Mbola vonona hiara-kiasa amin’ny Fitondram-panjakana hatrany

09-févr-2024

ho fiarovana ny aim-bahoaka ny mpitsabo natoraly manoloana ny valan’aretina mananontanona eto amintsika. Ho an’ny ivon-toerana Ainasoa etsy Namontana dia fantatra fa efa nandray anjara hatrany izy ireo tamin’ny fandalovan’ny valan’aretina COVID 19 teto amintsika izay nanavotana ain’olona maro ary mbola vonona ny hanome tanana raha sanatria ka tafiditra eo amintsika ny aretina Cholera. Anisan’ny antony nanokafan’izy ireo ny sampany eny Iavoloha izany raha araka ny fanazavan’Atoa Mandimbison Rija, tamin’ny mpanao gazety omaly. Nomarihiny moa fa na dia tapitra mampiakatra ny vidin-javatra ao aminy avokoa aza ny mpivarotra rehetra amin’izao dia miezaka mitsinjo ireo olona tsy salama tonga manatona azy hatrany ny ivon-toerana Ainasoa. Raha mbola tsy mampiakatra ny vidin’ny akora fototra ny eny ifotony hoy izy omaly dia tsy miova ny vidim-panafody sy ny saran’ny fitsaboan-tena ato aminay izay natoraly tsy misy fangarony avokoa. Notsiandriany anefa fa tsy misy ny fahagagana eo noho eo fa izay maharitra ihany no mahazo fanasitranana.
Pati
Legende : Atoa Mandimbison Rija, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Centre Ainasoa !

 

Dans la même rubrique