airtel

Fahasalamana

28-nov-2023

Valanaretina miparitaka

“Aleo misoroka dieny mialoha!”

Sample post image

Mila ialana ny fieritreretana mahazatra fa serisery madinidinika ny valanaretina miparitaka ankehitriny,

28-nov-2023

hoy ny mpikaroka sady talen’ny toeram-pitsaboana, Fondation Chrétien Zaranaina Andoharanofotsy, Zaranaina Christian. Ny anay, hoy izy, izao avy hatrany dia mampihatra ny fomba fampiakarana hery fiarovana toy ny natao tamin’ny COVID. Ampiarahana ny fomba nentina nitsaboana COVID sy gripa. Aleo misoroka toy izay mitsabo. Aleo aza averina tsikelikely ny fanaovana arotava, ny fanasana tanana amin’ny rano sy savony, ny elanelana 1 metatra, izany hoe, ireo fepetra madinidinika rehetra aleo tonga iverenana dieny izao satria ho avy hiditra eto Madagasikara koa izao ny mpizahatany. Isika rehefa aorian’io hisy ny fotoanan’ny rivodoza. Miparitaka be amin’iny fotoana iny ny tazo sy ny tariny. Aleo tonga dia misoroka dieny mialoha, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique