airtel

Fahasalamana

06-avril-2023

Fahasalamana

Vehivavy bevohoka misotro toaka Mety hahatratra 400 tapitrisa Ar no lany hitsaboana ny zaza haterany

Sample post image

Tena zava-doza ny voka-dratsin’ny ny fisotroan-toaka indrindra fa ho an’ny vehivavy bevohoka.

06-avril-2023

Mahatratra 400 tapitrisa Ar mantsy raha kely ny vola lany hitsaboana ilay zaza aterany raha araka ny fanadihadiana natao miankina amin’ilay aretina mahazo ilay zaza. Anisan’ireny raha araka ny fanazavan’ny dokotera Sendra Hasina Rambeloson ny tsy fahampian’ny lanjan’ilay zaza ara-dalana. Mety ho afaka ihany koa izy raha mbola any am-bohoka ankoatra ny vesatra hafa mety hahazo ilay zaza. Ho an’ny fiasan’ny ati-dohany manokana dia mety ho very tadidy ilay zaza, tsy mahavita miteny tsara ihany koa no sady tsy mahavita mifehy ny fihetsem-pony. Ilay ati-dohany mihitsy no kely raha araka ny fantatra hany ka lasa vesatra ho an’ireo nahitany masoandro sy ny fianakaviany ilay zaza. Mety hanana olana amin’ny taova ihany koa ilay tsy manan-tsiny ka anisan’ireny ny aretim-po. Ny tena mampalahelo amin’ity tranga ity raha araka ny fantatra hatrany dia eto Madagasikara no maro zaza teraka lasibatry ny fisotroan-toaka nataon-dReniny. Mahatratra 5,5 isan’arivony mantsy izany tamin’ny taona 2010 ho an’ny hopitaly fiterahana etsy Befelatanana raha 0,5 ka hatramin’ny 3 isan’arivony maneran-tany. Nisy omaly ny fanentanana nataon’ny OFNALAT na ny ofisim-pirenena miady amin’ny fisotroana sy ny fihinanana paraky tetsy amin’ny tranom-pokonolona Analakely. Niarahany tamin’ny kaominina Antananarivo renivohitra izany ho fiarovana ny fahasalaman’ireo zaza tsy manan-tsiny.
Nangonin’i Pati
Legende : Zava-doza ny voka-dratsin’ny fisotroan-toaka ho an’ny vehivavy bevohoka
(sary fanehoana)
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisy ny hetsika nataon’ny fikambanana Mii’zara niaraka tamin’ny CSB II teny Ambatolampy Tsimahafotsy

Card image cap