airtel

Fahasalamana

16-mai-2024

VEHIVAVY MANAO FANABEAZANA AIZANA

Tafakatra 65% tato anatin’ny 2 taona

Sample post image

Tafakatra 65% ny tahan’ireo tanora tovovavy sy vehivavy manao fanabeazana aizana eto amintsika

16-mai-2024

tato anatin’ny roa taona. Ankoatra ny pilina dia anisan’ny be mpisafidy ihany koa ny tsindrona indrindra fa ho an’ireo somary be fanadinoana. Hitohy hatrany araka izany ny fanentanana sy ny fanabeazana hataon’ny FISA na ny Fianakaviana Sambatra indrindra ao anatin’izao fankalazan’izy ireo ny herinandro natokana ho azy izao. Nanomboka ny 13 May lasa teo izany ary tsy hifarana raha tsy amin’ny Zoma 17 May. Misy ireo karazana tolotra maimaim-poana omena ireo tanora tonga manatona ao amin’ny FISA Ambatomitsangana sy ny Centre des jeunes FISA Andoharanofotsy. Anisan’ireny ny fandrindram-piterahana , ny fisafoana, ny fitiliana VIH/Sida,ny fitiliana ny homamiadan'ny vozon’ny tranon-jaza sy sy nono…Ho an’ny taona 2023 manokana moa dia fantatra fa ny 44%-n’ireo olona tonga nizahana fahasalamana tao amin’izy ireo no resy lahatra fa hampiasa ny fomba fandrindram-piainam-pianakaviana ka ny 52% an’izy ireo dia tanora latsaky ny 22 taona avokoa.
Pati
Legende : Tanora ny ankamaroan’ireo nanaovana fanentanana teto !

 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

14 taona tamin’ny volana martsa teo izao no nijoroan’ny Manda Bio Santé, hoy ny tompony

Card image cap