airtel

Fahasalamana

19-oct-2022

Fahasalamana

Vehivavy tratry ny aretina mamany lava Didiana maimaimpoana hatramin’ny faran’ny volana

Sample post image

Raisina an-tanana manokana ireo vehivavy tratry ny aretina mamany lava vokatry ny ny fahasarotam- piterahana eto amintsika nanomboka afak’omaly alatsinainy 17 oktobra.

19-oct-2022

Haharitra 11 andro izany ka ankoatra ny fijerena manokana ny isam-batan’olona dia hisitraka fandidiana maimaimpoana ao amin'ny Pavillon Sainte Fleur Ampefiloha izy ireo, hetsika hiarahana amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Maimaim-poana miaraka amin’izany avokoa ny fanafody handidiana, ny sakafon'ireo marary sy ny mpanaraka iray ary ny fitaterana azy ireo mandeha mody mamonjy ny tokatranony. Anisan’ny mifandrimboka manatanteraka izao hetsika izao moa ny UNFPA Madagascar , ny Opération Fistula , ny Pavillon Sainte Fleur ary ireo mpiasan'ny fahasalamana maro izay miezaka mifanome tanana sy mifampizara ho fanampiana ireo vehivavy tratra ity aretina iray ity. Tsy mahatsiaro ho poritra intsony moa fa mandeha ho azy ny fivalanan-dranon’ireo vehivavy tratry ny aretina mamany lava raha tsiahivina. Hahilikiliky ny vadiny sy ny fianakaviany izy ireo vokatr’izany ka tsy vitsy ireo mitady hamoy fo mihitsy.
Pati
 

Dans la même rubrique