airtel

Fahasalamana

08-août-2025

VEHIVAVY TSY SALAMA, TSY MISY MPIAHY

Nandefasana fiara mpitondra marary teny Soanierana

Sample post image

Vehivavy iray antsoina hoe : Volatiana Délice, vao 23 taona monja no

08-août-2025

nandefasana fiara fitondrana marary teny Soanierana nitondra azy tany amin'ny hopitaly CHU HJRA Ampefiloha omaly Alakamisy 07 Aogositra maraina rehefa fantatra fa tsy salama sy tsy nisy mpiahy. Vao tonga teny amin'ity hopitalim-panjakana iray ity izy dia noraisin'ny Fitondram-panjakana an-tanana avokoa ny fitsaboana azy, tamin'ny alalan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka. Tsiahivina moa fa maro ireo olona tsy misy mpiahy tratry ny tsy fahasalamana eny am-pandehanana tahaka izao eto an-drenivohitra. Ao ireo reraky ny adin-tsaina vokatry ny tsy fananan'asa dia mianjerazera eny rehetra eny. Misy koa ireo noana nefa tsy maintsy mivoaka mitady ny hanin-ko hanina isan'andro raha tsy lazaina intsony ireo marary dia narian'ny vady aman-janany sy ny havany tanteraka....Tsy mbola fantatra kosa izay tena fototry ny olan'ity vehivavy nalain'ny fiara mpitondra marary teny Soanierana ity.
Pati 

Dans la même rubrique