airtel

Fahasalamana

09-janv-2026

Vidin’ny arovava niakatra 200%

Tsy mahay mifamelona intsony ny malagasy

Sample post image

Toy ny nitranga tamin’ny fotoana

09-janv-2026

nidiran’ny valan’aretina COVID 19 teto Madagasikara ny taona 2020 ihany dia tsikaritra ho tsy niova intsony ny toetsain’ny ankamaroan’ny malagasy amin’ity mifanararaotra manoloana ny zava-mitranga ity. Tafakatra 3000 Ariary no hivarotan’ny sasany amin’ireo mpivarotra ny singany amin’ny arotava na «cache bouche» mandehandeha eny rehetra eny, raha ny hita hatramin’ny omaly, izany hoe, niakatra 200% be izay raha toa ka mbola nahitàna 1000 Ariary herinandro lasa na mahery tany ho any. Tsaroana ny fiakaran’ny vidin’ny voasary makirana ho lasa 1000 Ariary fara faha mora tamin’ny 5 taona lasa na ny vidin’ny tongolo sy sakamalao avo 3 na 4 na 5 heny amin’ny tena tokony ho vidiny mihitsy. Raha sanatria koa izany amin’izao fotoana izao, hoy ny fanehoan-kevitra, ka miparitaka, ohatra, ny hoe miaro amin’io valanaretina nendran-drajako mampitaintaina antsika ankehitriny io ny ravim-boamanga na akondro na izay mety ho voalaza hiaro amin’izany eo dia azo inoana koa izany fa hiakatra avo 2 na 3 heny no miakatra koa ny vidin’izany rehetra izany. Ny azo amehezana azy aloha, hatreto, araka izany, dia ny hoe tsy mahay mifamelona intsony ny malagasy. Tsy mahay mifampitsinjo fa dia very ny soatoavina, hoy ny ihany ny fanehoan-kevitr’ireo naneho ny alahelony manoloana izao toe-draharaha izao.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique