Na samy valanaretina na “virus” aza ny VIH sy ny gripa dia samihafa ny fomba fidirany ao anatin’ny vatana sy ny fiantraikan’izany anatin’ny vatana, hoy ny dokotera mpitsabo, Dr Fidy Bariniaina. Miditra amin’ny orona sy vava ny gripa, hoy izy. Matetika amin’ny alalan’ny piti-drora sy rehokin’ny marary no fidirany. Amin’ny alalan’ny firaisana ara-nofo na fitaovana mampisy rà kosa no ifindran’ny VIH. Tonga ny VIH dia mamono ny sela mamorona hery fiarovana ho antsika. Vonoiny tsikelikely ireo sela ireo dia lasa tsy manana hery fiarovana intsony ny olona dia lasa mora manavy, mikohaka, marefo. Maromaro no antony mampirongatra ny VIH ankehitriny. Tsy avy dia marary ny olona voany. Mbola miasa, mianatra sy ny toy izany iny olona iny. Tafaraka amin’ny olona maromaro koa dia ifindrany daholo ireo olona maromaro ireo. Faharoa, lasa tanora be ny taranantsika miditra amin’ny firaisana ara-nofo. Mirongatra be koa ny fitotongan’ny toe-piainan’ny olona. Mety mamonjy alim-pandihizana eo dia izay olona miaraka aminy eo tonga dia miray aminy any. Tsy ampy fahalalana mikasika ny fomba hiarovany ny vatany ny tanora. Mitombo koa nefa ny fahafahan’ny olona mifandray amin’ireto tekinolojia isan-karazany toy ny Facebook, Whatsapp, finday sy ny marobe ireto. Na olona tsy mifankafantatra aza eo amin’ny Facebook dia efa mifanao fotoana dia lasa miaraka. Lasa malalaka kokoa ny fifandraisan’ny olona dia malalaka kokoa ny firaisana ara-nofo. Ny firongatry ny fisotroan-toaka sy fidorohana zava-mahadomelina koa moa eo dia izany rehetra izany no lasa mampirongatra ilay VIH SIDA, hoy hatrany ity mpitsabo ity.
J. Mirija