airtel

Fahasalamana

05-août-2026

VIRIOSY

AMIN'NY ANDRO RIRININA

Sample post image

Mihamahery vaika isan-taona hoy Dr Ratsimivony

05-août-2026

Betsaka ireo olona mitaraina amin'izao fa tratry ny aretina hafahafa. Miainga amin'ny fangatsiahan'ny vatana izany, mitohy amin'ny aretin'andoha, manakotsako ny vanin-taolana, mikohoka, tsy mahita torimaso amin'ny alina....Tsy mahagaga izany hoy Dr Ratsimivony Jean Claude, tompon'andraikitra voalohany eo anivon'ny Vovonana JCR. Nambarany mantsy fa mihamahery vaika isan-taona ny viriosy miparitaka, indrindra fa amin'ny vanim-potoanan'ny ririnina tahaka izao. Izany no antony tsy mampandaitra intsony ny vaksiny iadiana amin'ny gripa hoy izy raha andrasana amin'ny taona ho avy ny ambiny vao hampiasaina indray fa tsy maintsy manamboatra vaovao foana. Ankoatra izay dia nanazava koa izy fa avy amin'ny fakarontanantsika olombelona sy ny fanimbantsika ny tontolo iainana ihany no antony mampasiaka sy mampivoatra ny viriosy isan-taona ka ilana fitandremana be. Vahaolana arosony ho enti-miady amin'ireny karazana viriosy miparitaka ireny noho izany ny fanaovana fitafiana mafana hatrany. Toraka izany koa ny fipetrahana amin'ny toerana mafana. Mampidina ny hery fiarovana mantsy ny andro mangatsiaka raha araka ny fanazavany. Arahin'ny fihinanana sakafo miloko menamena toy ny voatabia sy karaoty izany, ny fihinanana vitamina C izay azo soloina amin'ny alalan'ny voasary makirana, ny tongolo fa tsy voatery ho fanafody. Hevitra natorony koa ny tokony hanaovana evoka amin'ny ravintsara sy kininim-potsy izay azo sotroina ihany koa, ny fampiasana baoma fosa. Rehefa tena mahatsiaro ho tsy metimety moa ny fahasalamana dia miantso ireo tsy salama ny tenany mba hanatona mpitsabo fa tsy hanao dokotera tenany.
Pati
Légende : Izy no Dr Jean Claude Ratsimivony, tompon'andraikitra voalohany eo anivon'ny Vovonana JCR!
 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Nisehoana tranga ara-pahasalamana

Card image cap