airtel

Fahasalamana

12-janv-2023

Fahasalamana

VOKATRY NY FAHASAHIRANANA “Lasa mpahazo ny Malagasy ny aretim-bavony”

Sample post image

Marary vavony ny ankamaroan’ireo olona tonga nitsabo tena tetsy amin’ny Centre Aina Soa etsy Namontana izay mpitsabo amin’ny alalan’ny vokatra natoraly nandritra iny taona 2022 nivalona iny.

12-janv-2023

Tsy nanavahana sokajin-taona izany hoy Ramandimbison Rija fa rehefa olona mety ho tratry ny rarin-tsaina dia lasibatra avokoa. Manampy trotraka izany hoy izy ny adin-tsaina amin’ny fitadiavana ny haninko hanina isan’andro, ny saram-pianaran’ny mpianatra ary ny hofantranon’olona izay tena miteraka aretim-bavony goavana koa. Nasiany resaka manokana ihany koa ny firotorotoana amin’ny fitadiavana isan’andro izay mampiovaova ny ora fisakafoanana sy ireo tsy mahita harapaka afa-tsy indroa isan’andro sisa vokatry ny fahasahiranana hatrany. Ankoatra ny aretim-bavony moa dia fantatra fa maro ihany koa ireo tratry ny aretin’aty. Toraka izany ireo tratry ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo, ny tosi-dra sy ny diabeta ary ny aretin-koditra izay nambarany fa tsy dia fahita firy. Tsy ireo mpifoka sigara sy mpisotro toaka toy ny teo aloha intsony araka izany amin’izao hoy Ramandimbison Rija no tratry ny aretim-bavony fa saika ny Malagasy rehetra mihitsy. Notsiahiviny hatrany moa fa na dia resahana vava aza ny fahasahiranana dia tena misy fiantraikany amin’ny fahasalamam-bahoaka mivantana mihitsy izany ary mety hamono.
Pati
Legende : Ramandimbison Rija, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Centre Aina Soa etsy Namontana !

 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Mitana anjara toerana goavana amin'ny kalitao ny tolotra fanafody sy kojakojam-pahasalamana

Card image cap