airtel

Fahasalamana

09-déc-2022

Fahasalamana

Vokatry ny hasarotan’ny fiainana Maro ireo miakatra tosi-dra, misy maty mihitsy aza

Sample post image

Tena sarotra ny fiainana. Tsy misy izay tsy mitaraina vokatr’izany ny isan-tokantrano indrindra fa ny Renim-pianakaviana.

09-déc-2022

Tsy vitsy ireo lasa mahazo aretina tsy fidiny noho izany, indrindra fa rehefa fiandohan’ny volana tahaka izao. Tsy maharaka ny trosa tokony aloha intsony mantsy ny vola raisina isaky ny faran’ny volana noho izany hany ka mahazo laka tsy fidiny ny aretina. Anisan’ireny ny aretin’ny tosi-dra izay miakatra ny ankamaroany. Mandeha eny an-dalana ny olona iray ohatra ka avy hatrany dia fanina raha vantany vao be loatra ny adin-tsaina raha araka ny fanazavan’ny dokotera iray. Tsy vitsy koa ireo mianjera dia mamoy ny ainy mihtsy aza na koa torana ka tsy mijanona raha tsy efa tonga any amin’ny hopitaly. Olona am-polony isan-kerinandro no fantatra fa lasibatr’izany eto an-drenivohitra. Misy ihany koa anefa raha araka ny fantatra ireo tsy nivoaka ny tokantranony akory dia tratry ny fahatapahan’ny lalandra noho izany adin-tsaina sy fahasahiranana mitambesatra aminy izay ihany. Tsy mifidy taona intsony moa ity aretina ity fa na dia vao 30 taona monja aza dia lasibatra. Mila mitandrina hatrany ny tsirairay manoloana izany. Ho an’ireo tsy salama na efa nahazoazo taona dia tsy mety ny fandehanana irery mivoaka ny trano. Ho an’ireo manana olana kosa dia anisan’ny mampitony izany voalohany ny fanankinana ny fiainana amin’Andriamanitra ankoatra ny fahaizana mandanjalanja ny fihetseham-po.
Nangonin’i Pati
Legende : Misy maty eny an-dalana ireo olona sasany
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Mitana anjara toerana goavana amin'ny kalitao ny tolotra fanafody sy kojakojam-pahasalamana

Card image cap