airtel

Fahasalamana

11-nov-2025

VOVONANA HANOVA

"Hampiakaro 15 % ny teti-bolan'ny Ministeran'ny Fahasalamana "

Sample post image

Tonga teny amin'ny Antenimieram-pirenena

11-nov-2025

Tsimbazaza omaly Alatsinainy 10 Novambra ny Vovonana Hanova ahitana ireo mpianatra ho Paramed, ny médecine, ....Mangataka amin'ny Solombavambahoaka ny mba hampiakarana ny teti-bolan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka ho 15% izy ireo hahafahany manatsara ny asany sy mandray mpiasa vaovao. Raha araka ny fanazavan'ny Dr Randriamiarinjato Fanomezantsoa Rija mantsy dia miisa 20.000 ireo mpiasan'ny Fahasalamana eto amintsika. Ny 5.000 amin'ireo no mikirakira ny lafiny ara-taratasy raha ny 15.000 sisa no mandray an-tanàna ny fahasalam-bahoaka. Mahatratra 30 tapitrisa anefa isika Malagasy ankehitriny hoy izy izay tena marobe tokoa, ka mitaky fandraisana mpiasa vaovao. Nomarihin'ity dokotera ity moa fa ny Sampandraharaha iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana mihitsy no mametraka io 15 % io fa tsy sanatria izy ireo akory no mila vaniny. Na izany aza anefa dia ny Solombavambahoaka eny Tsimbazaza ihany no tompon'ny teny farany amin'izany.
Pati
Légende : Ireo mpikambana ao amin'ny Vovonana Hanova 

Dans la même rubrique