airtel

Fahasalamana

26-janv-2024

Zaranaina Christian

“Ny fofona dia bakteria, valanaretina, mikraoba…”

Sample post image

Fototry ny fahasalamana ny fahadiovana, hoy ny mpikaroka sady talen’ny

26-janv-2024

ivontoeram-pikarohana Kristianina momba ny fahasalamana na Fondation Zaranaina Andoharanofotsy, Zaranaina Christian. Fantantsika tsara, hoy izy, fa avy amin’ny bibikely anaty loto na karazana fahalovana, izany hoe, “fermentation” samihafa ny aretina sy valanaretina sy ny toy izany. Tsy zava-baovao io fa niaharantsika nahita ny zava-nisy tao Frantsa. Niangona be ny fako dia feno parasy i Paris tao aorian’izay. Ny tsy maintsy atao dia ny fandraisan’ny fitondram-panjakana fepetra farany haingana hanafoanana ireny zavatra ireny fa raha tsy izany afaka 6 volana na volana vitsivitsy dia hiteraka areti-mifindra izy ireny. Iarahantsika mahita izao ny zava-misy ao Gaza. Miparitaka ny “hépatite viral”. Tsy maintsy mandray fepetra farany haingana isika hanafoanana ireo fako ireo, indrindra, amin’izao fotoana izao satria miotrika izy izao fa be orana ny fotoana. Miteny isika hoe “conjonctivite”, karazana pesta, Cholera sy ny maro hafa. Miaraka amin’ny loto sy ny fako foana ireny rehetra ireny satria ireny ilay sokajian’ny fahasalamam-bahoaka hoe “maladie de la main sale” na aretina azo avy amin’ny loto. Arakaraky ny ametrahantsika an’io ela no mampitombo ny isan’ny otrikaretina. Izay koa no hampitombo ny fahafahan’ny aretina miparitaka. Tsy hoe rehefa tsy miseho eo no ho eo ilay izy dia tsy hisy fiantraikany. Azo atao ny manadio an’io afaka herinandro. Tany Sénégal nisy ezaka natao toy izany. Nandray anjara tao daholo na ny tafika na ny fiarahamonim-pirenena na sivily na miaramila ary nisy fanampiana avy any ivelany mihitsy nahafahana nanadio nanadiovana an’i Dakar tao anaty tapa-bolana nefa tanàna goavambe io. Mora andairan’aretina ny olona amin’izao fotoana izao, izany hoe, latsaka ny “immunité” na hery fiarovana. Tokony samy manadio izay akaiky azy aloha izany ny tsirairay. Mila manalavitra ireny toerana ireny satria isika miheritreritra fa ny fofona dia fofona. Tadidio fa ny fofona dia bakteria na valanaretina mandeha na mikraoba mandeha miditra ao amintsika. Ampiasao ny fanafody mamono bibikely toy ny moka sy lalitra isan-karazany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique