airtel

Fahasalamana

01-sept-2021

Fahasalamana

Zaranaina Christian “Tsy voafolaky ny tandrefana ny valanaretina”

Sample post image

Averiko ihany fa mitohy mandritry ny taonjato maro ny fiainan’ny valanaretina, hoy ny mpikaroka momba ny fitsaboana, Zaranaina Christian.

01-sept-2021

 Ny an’ny Polio izao nisy fotoana hoe efa foana dia nisy fotoana niverina nipoitra indray, hoy izy, ohatra. Izay no mahatonga anay hiteny hoe misy zavatra tsy maintsy hiomanana foana tahaka ny nahitantsika ny hoe “variant alfa”, beta, delta. Ahoana moa no tsy hahatodiany hatrany amin’ny gama? Ny karazana anana izay hitanay dia tsy manafoana ny fomba fitsaboana teo aloha akory fa mampiakatra kosa ny hery fiarovana hahery kokoa hiatrika ny karazana “variant” efa misy sy mety ho avy eo. Hitantsika fa miditra fatra fahatelo izao ny vakisiny satria hita fa tsy mahatohitra intsony indray ny karazana “variant” misy ilay teo. Hisorohana izay fahafahan’ny valanaretina misaoty ny herin’ny singa mpiaro na “système immunitaire” izay dia mila hakarina ambony dia ambony izay hery fiarovan’ny olona izay. Manana fotoana lavabe hisorohana izay mety tranga hiseho eo isika. Ny famaritana ny vakisiny amin’izao no mahatonga ny olana any an-dafy toy ny hoe “antivax” sy “complotiste” satria ireo teoria siantifika sy fenitra siantifika dia miovaova be ihany. Karazana aretina avy aty amin’ny tany mafana na tropikaly ny aretina avy amin’ny valanaretina. Aty amin’ny toerana mbola an-dalam-pandrosoana sy mbola tsy avolenta ny fikarakarana ara-pahasalamana ao aminy no ahitana ireny. Tsy voafolaky ny mpahaivalanaretina na “virologue” tandrefana izy io no tena marina. Lasa mifangaro resaka politika ilay izy dia atao aloha izay ilazana hoe voafehy ilay izy fa ny tena marina tsy izay. Isika izay toerana be zavamaniry aty amin’ny ilabolantany atsimo sy tatsinanana kosa no tena mahafehy an’io. Ny vakisiny izao efa misy fanintelony fa efa manomana ka hatramin’ny fahaenina ry zareo. Hoy aho hoe raha mbola mifangaro akora simika ny fanafody hiadiana amin’ny valanaretina dia tsy hahafehy azy. Na ny famaritana ny hoe “immunité collective” koa aza izao tsy mipetraka. Miteny zareo hoe 70 na 75% nefa mbola hitantsika ihany fa manao tranga 19.000 isan’andro ny ao Frantsa. Avy amin’ny tontolo iainan’ny olona sy ny fihinany ary ny fisotrony no miantoka izany “immunité” izany, hoy hatrany ny tenany. Tokony efa hiala amin’ny famaritana ny hoe vakisiny io atao amin’ny olona io, hoy izy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisy ny hetsika nataon’ny fikambanana Mii’zara niaraka tamin’ny CSB II teny Ambatolampy Tsimahafotsy

Card image cap