airtel

Fahasalamana

10-août-2021

Fahasalamana

Zaza feno 10 taona Nanampy zaza marary miisa 10 isaky ny hopitalin-jaza

Sample post image

Amin’ny fo feno fifaliana no hisaorana anareo rehetra tamin’ity anio ity noho ireo firarintsoa maro be nataonareo fa faly be Itokiana namaky ny hafatra,

10-août-2021

 hoy ny zazavavy kely Malagasy iray feno 10 taona ny alahady teo tao amin’ny tambazotran-tseraseran’ny reniny. Niavaka Kely tamin’ity indray mandeha ity ny fanamarihana ny tsingerintaona, hoy izy, satria nisafidy ny hanampy ireo zaza marary miisa 10 avy ao amin’ny hopital des enfants Ambohimiandra sy Tsaralalana aho. Nomarihin’ny renin’ity zaza ity moa fa vola nomena azy ho fanampin-tsakafo nandritry ny taona iray sy vola azony tamin’ny dihy izay nataony tanatin’ny lanonam-pianakaviana no omeny ho fanampiana ireo zaza marary ireo. Nahafaly ny olona ny fahasahiany tamin’izany ka hisaorako eto anio ianareo rehetra, hoy hatrany ny renin’ny zaza. Nanontany azy aho hoe inona no hovidiako ho anao ? Nilaza izy hoe ampio ny vola omeko ireo zaza marary fa tsy hividianana « cadeaux » aho. Tiako loatra dia iriko hitohy ny fitiavana manampy sahady amin’izao taonany izao, ankinina amin’ny Ray ny momba azy rehetra, hoy hatrany ity renim-pianakaviana ity naneho ny hafaliany manoloana izay fanampiana zaza miisa 10 isaky ny hopitalin-jaza nataon-janany izay.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mbola betsaka ireo zaza tsy vita vaksiny eto amintsika indrindra fa ny any ambanivohitra.

Card image cap